juillet 26, 2023

𝗣𝗜𝗖𝗔𝗦-𝟭, 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆 𝘀𝘆 𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆

✅Notanterahan’Andriamatoa Harifidy RAMILISON,Minisitry ny  fambolena sy ny Fiompiana, ny fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny  Tetikasa tendro  itambarana fampitomboana araka orinasa fanodinambokatra ho an’ny Faritra atsimon’i Madagasikara na ny Pôle Intégré de Croissance Agroindustrielle dans le Sud de Madagascar (PICAS-1), ny 16 jiona 2023 tao Taolagnaro. Ny tetikasa dia eo ambany fiahian’ny MINAE sy vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola. Hisehatra ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy ary aharitra 4 taona sy enim-bolana.

✅Tanjon’ny tetikasa ny hampiroborobo ny sehatrin’ny fambolena sy ny fiompiana sy hanodina ny vokatra vokarina any atsimo. Mandray anjara amin’ny fahavitantena ara-tsakafo izay Velirano fah-9 ny PICAS-1 sy hanampy ny tantsaha  amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro.

Ny paikady entina hanatrarana izany dia ny fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa ara-pamokarana, ny fampiroboroboana ny rojopihariana sy fanamafisana ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

✅Ny vokatra andrasana dia ny fanajariana lemaka miisa 6 izay mitotaly 1.159ha ;  ny fanavaozana ny lalana mirefy 52km, ny fandavahana lavadrano entina hanomezana rano ny biby fiompy sy hamatsiana rano fisotro madio ny tokantrano miisa 6.000 ary hanondrahana tany legioma mirefy 31 ha ; fametrahana tokantrano miisa 120 izay vatsiana trano sy kit amin’ny fiompiana sy ny voly legioma ; fanajariana tany 160ha ho an’ny titre vert ; fanamboarana ftehirizana rano ambany tany miisa 3 ; fanatsarana ny nofontany mirefy 2000ha izay simba ; fampiroboroboana n’y asa sy ny fandraharahana ; ny fanantonana ny masomboly tsara kalitao sy fitaovampamokarana mandinika an’ireo tantsaha.

Hisy araka izany  ny famindrana rano na transfert d’eau  na mobilisation des ressources en eau.

✅Marihana fa mamokatra sy ahitana vokatra maro samihafa ny faritra  Androy sy Anosy. Naneho izany ny  tantsaha nandritra ny andro iraisampirenena ho an’ny Faritra.